Moto scooter iray potika tanteraka niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalan’Ambohitrimanjaka, omaly atoandro. Naratra ny mpandeha roa tamin’io moto io. Fiara tsy mataho-dalana iray no nifandona tamin’izy ireo.
Hita tsy lavitry ny tanàna saingy efa tsy nisy maso intsony ny lohan’ilay lehilahy nisy nanapa-doha tao Antanimieva, distrikan’ i Morombe, ny alarobia teo. Nokapain’ny olon-dratsy ny lohan’io olona avy niandry faty io ary nentin’izy ireo.
Notanana am-ponja ao Antsohihy ny vehivavy iray voarohirohy ho namono am-badiny tao Bealalana Renivohitra, afakomaly. Hita faty nihantona tamin’ny tady ny lehilahy iray ny alatsinainy teo. Nahitana ratra ny filahian’io maty io sy ny tongony. Nosamborina ny vadiny ka natolotra ny fampanoavana.