Tanterahana mandritra ny roa andro ao amin’ ny Hôtel 2 Février any Lomé Togo ny fivoriambe voalohany ny tanora afrikanina momba ny toekarena manga. Horesahina mandritra izany ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fananana asa ary ny fahantrana. Fantatra fa manana sisin-dranomasina 42 000 km i Afrika izay ahitana firenena 54.
Feno 20 taona omaly ny code des marchés publics eto Madagasikara. Natomboka, omaly, ny herinandrin’ny vaomiera nasionalin’ny tsenambarom-panjakana. Nilaza ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola fa nasiana fanavaozana ny taona 2016 ny code des marchés publics ary efa an-dalam-panavaozana indray isika izao.
Zava-dehibe ny (Agoa) eo amin’ny fiaraha-miasa ara-toekaren’i Etazonia sy Afrika. Mbola vonona hampiasa vola aty Afrika sy hanohana ny fanitarana ny Agoa izay hifarana amin’ny taona ho avy ny fanjakana Amerikana. Marihina fa mpanondrana lehibe mankany amin’ny tsena amerikanina amin’ny alalan’ny Agoa i Madagasikara.
Nisitraka masomboly vary an-drano 2 007 kg sy zezika NPK 3 345 kg ary zezika biolojika 16 725 kilao ny tantsaha avy ao amin’ny kaominina Imerina Imady. Nahazo tohana masomboly vary an-drano milanja 11 223kg, zezika NPK 18 705 Kg ary zezika biolojika 93 525 kig kosa ireo mpamokatra miisa 1247 avy ao amin’ny faritra Amoron’i Mania.