Norombahin-dRaniaranjara Anicet Brillant, avy any Mahajanga, ny « bon d’achat » mitentina 5 000 000 Ar avy amin’ny magazay Cosmos Madagascar tamin’ny alalan’ny « Super Tombola » nokarakarain’ny Cosmos manerana ny Nosy, ny 12 jona ka hatramin’ny 7 jolay. Mpanjifa roa hafa koa no nahazo bon d’achat 3 000 000 sy 2 000 000 Ar. Natao ny sabotsy teo, tetsy amin’ny magazay Cosmos tetsy Analakely, ny fanomezana ny loka ho an’ireo nahazo izany. Ka mpanjifa avy any Mahajanga no nandrombaka ny loka voalohany: bon d’achat mitentina 5 000 000 Ar. Ity farany izay, niantsena tany amin’ny magazay Cosmos Mahabibo Mahajanga, raha avy eto Antananarivo kosa no nahazo ny loka faharoa sy fahatelo. Bon d’achat 3 000 000 Ar no azon-dRaveloarison Roland Guy, raha bon d’achat 2 000 000 Ar ho an-dRajaoferson Kanto, izy ireo izay samy niantsena tao amin’ny magazay Cosmos Analakely. Afaka misafidy ny entana tiany hovidiana eny amin’ireo magazay Cosmos rehetra sy Sport 2000 amin’ny alalan’ireo « bon d’achat » azony ireo nisitraka ny loka. Fantatra fa « afaka nandray anjara tamin’ny lalao avokoa ireo mpanjifa rehetra tonga nividy entana teny amin’ny Cosmos rehetra », hoy ny tomponandraikitry ny serasera ny magazay, Ralimina Felana. Nilaza izy fa mbola hisy ny Tombola hafa manaraka hokarakarain’ny magazay ny desambra.
Tombony
Mitentina hatrany amin’ny 20 000 000 Ar ny loka nozarain’ny magazay Cosmos ho an’ireo mpanjifa 50 tsara vintana nahazo izany. Ankoatra izay, misy ny « vente à crédit Mirindra » omen’ny magazay. Tolotra izay hahafahan’ny mpanjifa mandoa tsikelikely, izany hoe, hatramin’ny 30 volana, ny entana tiany halainy.
Henintsoa H.