Echecs – Mada 2024: 12 mianadahy nahazo tapakila mankany Tunisie

Nifarana omaly, tetsy amin’ny Kianja mitafon’ny Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja Echecs, sokajy U7 hatramin’ny U17, lahy sy vavy.
Ankizy 12 mianadahy, (6 lahy, 6 vavy) no misolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana afrikanina, hatao any Tunisie, ny taona 2025. Araka ny fanazavana azo tamin-dRambolamalalatiana Haja, tale teknika nasionaly (DTN) Federasiona malagasin’ny lalao Echecs (FME), omaly, mety hisy fiofanana hatao ho an’ireo ankizy nahazo telo voalohany isan-tsokajy, tamin’ny fiatrehana ity fifanintsanana afrikanina ity. “Miantso ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora izahay, mba hanampy ny federasiona, indrindra ny resaka ara-bola”, hoy ity DTN ity.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa tamin’ity andiany ity, miisa efatra ireo ligy nahatonga solontena. Anisan’izany Analamanga, Bongolava, Amoron’i Mania ary Alaotra Mangoro. Hatao any Moramanga, ny 10 – 15 aogositra ho avy izao, ny fifaninanana nasionalin’ny Echecs. Marihina fa tokony ho natao tany Toliara izy io saingy noho ny enti-manana dia izao nafindra toeran-kafa izao.

Fitia Randria

Partager sur: