FANTINA sy FINTINA

“Tsy mety intsony hoe izao no mbola hifampidinika”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny faran’ny herinandro teo. Tsy any amin’ny hoe mila fifampidinihana sy fiaraha-mitan­tana izany izao. Efa voafidy ny filohan’ny Repoblika ary efa voatendry ny Praiminisitra. Aleo hanao ny asany araka ny tokony ho izy ry zareo.

Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, ny lano­nana fametrahana samboady, tamin’ny fomba ofisialy, ny solom­bavambahoaka voafidy tao amin’ny faritanin’i Fianaran­tsoa. Miisa 31 izy ireo, avy amin’ny antoko maro samihafa. Nanome voninahitra izany lanonana izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, sy ireo filoha lefitry ny Antemierampirenena avy amin’ny faritany hafa.

“Rehefa nisafidy ny fitondrana demokratika miaraka amin’ny fepetra rehetra mifanaraka amin’izany izahay, dia manontany tena hoe tsy mifanohitra amin’ izany ve ny fahitantsika ny fampiharana ny demokrasia eto amin’ny firenena…”, hoy Rakotovao Rivo, filoha nasionalin’ny antoko HVM. Araka ny nambarany hatrany, nihemotra ny laharan’i Madagasikara amin’ny fanajana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna.

Partager sur: