Fifanakalozana ara-barotra : miandrandra hanohizana ny Agoa i Afrika

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekaren’ny firenena aty Afrika ny hanohizana ny lalàn’ny African Growth and Opportunity Act (Agoa) ho an’ny 10 taona manaraka. Nandresy lahatra hanatanterahina izany ireo mpisitraka nandritra ny Forum Agoa tany Washington.

Notanterahina ny 24-26 jolay, tany Washington DC ny fivoriambe (Fo­rum) ara-barotra faha-21 momba ny Agoa. Nandresy lahatra ny firenena amerikana hanohy ny fifanarahana ara-barotra ireo firenena mpisitraka ka miandrandra ny hanavaozana ny lalàna amerikanina momba ny Agoa ho an’ny 10 taona manaraka na mihoatra. Nanamafy ny hanavaozana ny lalàn’ity fifanakalozana ara-barotra mialoha ny hiafaran’izany, mialoha ny volana septambra 2025, rahateo ny filoha amerikanina, Joe Biden, nandritra ny kongresin’ny Agoa nialoha ny fivoriambe faha-21.
Manamafy fototra ny fifandraisana ara-toekarena tao anatin’ny 20 taona mahery eo amin’i Etazonia sy ireo firenena mpisitraka ny Agoa. Na­hafahana namorona asa maro taty amin’ny kaontinanta Afrika izy io no nampiroborobo ny fifaninana ara-barotra amin’ireo mpikambana ihany koa. Ho an’i Madagasikara, mamelona ankohonana eo amin’ny 100 000 ny sehatry ny lamba iarahantsika miasa amin’ny firenena amerikanina.
Tombontsoa

Fanesorana ny haban-tseranana amin’ny vokatra miditra eo amin’ny tsena amerikanina ny Agoa. Ka anisan’ireo firenena telo voalohany ma­nondrana lamba any Etazonia i Madagasikara. Ny taona 2023, mitentina hatrany amin’ny 339 tapitrisa dolara ny fanondrana nataontsika. Ny taona 2021-2022, 81,7% ny vokatra lamba naondrantsika tany amin’ny tsena amerikanina. Maherin’ny 200 tapitrisa dolara kosa ny vidin’entana naondrana ny taona 2022. Ankoatra ireo, anisan’ireo firenena mandray ny vokatra ara-barotra betsaka indrindra avy eto Madagasikara i Etazonia. Tafiditra ao anatin’izany ny lavanila, cacao, kafe sy ny maro hafa.
Tsiahivina fa nandray anjara tamin’io Forum io i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny delegasiona notarihin’ny tale jeneralin’ny Varotra, Ra­za­nakoto Isidore.

Henintsoa Hani

Partager sur: