Taorian’ny fitsidihana nataony tany Frantsa, izay nihaonany tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron sy nanatrehany ny lanonam-panokafana ny lalao Olympika dia manohy ny diany any amin’ny kaontinanta afrikanina indray ny filoha Rajoelina Andry.
Manomboka ny fitsidihana an’i Afrika izay tanterahin’ny filoha Rajoelina Andry. Andrasana anio folakandro ao Bissau, renivohitr’i Guinée-Bissau, izy mivady. Haharitra roa andro ny fivahinianany ao amin’ity firenena ity. Miara-dia aminy mandritra izao diany izao ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Monja Sahivelo Lala Delphin sy ny mpanolotsaina manokana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, i Patrick Rajoelina. Ny diplaomasia sy ny fampiroboroboana ny fifandraisana ara-toekarena ao amin’ireo tany samy andalam-pandrosoana na « Coopération Sud-Sud » no tanjon’izao fitsidihana izao. Araka ny fandaharam-potoana, hisy ny fihaonana manokana eo amin’ ny filoha Rajoelina Andry sy ny filohan’i Guinée-Bissau, i Umaro Sissoco Embalo. Inoana, araka izany, fa ho votoatin’ny dinika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Fantatra rahateo ny fifandraisana ara-pirahalahiana eo amin’ny filoha roa tonta. Raha tsiahivina, anisan’ireo firenena nitoky tamin’ ny voka-pikarohana malagasy i Guinée-Bissau nandritra ny vanim-potoanan’ny ady tamin’ ny valanaretina COVID-19 ary nandefa fiaramanidina manokana naka ny Covid-Organics teto Madagasikara mihitsy ny filoha Umaro Sissoco Embalo.
Hihazo an’i Angola
Aorian’i Guinée-Bissau dia hihazo avy hatrany an’i Angola ny filoha Rajoelina Andry, hamaly ny fanasana manokana izay nataon’ny filohan’i Angola azy. Mpinamana ary mifandray am-po rahateo ny filoha roa tonta. Manaporofo izany ny fahatongavan’ny filohan’i Angola tetsy Mahamasina nanatrika ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry, taorian’ ny fahalaniany indray. Fanamafisana ny fiaraha-miasa no tanjon’izao fitsidihana izao. Marihina fa i Angola no mitantana ny vondrona Sadc ankehitriny. Raha ny fantatra dia hisy ihany koa ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa anakiroa hatao any Angola ka ho voakasik’ izany ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany sy ny famokarana herinaratra. Anisan’ny handrafitra ny delegasiona any an-toerana rahateo ny minisitry ny Harena an-kibon’ ny tany sy ny minisitry ny Angovo ary ny minisitry ny Raharaham-bahiny.
Andry F.