Nieren-doza ireo vehivavy nandeha tamina fiara iray nisy nitifitra teny Manjakaray, ny sabotsy maraina tamin’ny valo ora. Nahitana diam-bala teo amin’ny fitaratraben’ny fiara…
Nihorohoro indray ny mponina teny Manjakaray sy ny manodidina, ny sabotsy maraina teo. Niantefan’ny bala teo amin’ny fitaratraben’ny fiara nentin’ny renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ireo vehivavy roa namany. Araka ny fanazavan’ ity renim-pianakaviana ity, nandeha fiara izy sy ireo namany, tamin’io fotoana io. Nony efa tonga teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be, 25, Manjakaray Ambodivona, nisy moto nivilavila fandeha ka nifaoka ny fitaratra amin’ny sisin’ny fiara. Nandritra izany anefa no nisian’ny poa-basy tany amin’ ilay mpitondra moto ka nipitika teny amin’ny fitaratry ny fiara ny bala. Niaraka tamin’ny fofon-javatra manempotra izany. Vory lanona vetivety ny olona teo amin’ny manodidina nandre izany fipoahana mafy izany. Tao anatin’izany no nahitana ireo moto roa nirifatra nandeha mafy nihazo an’i Manjakaray. Matetika ahitana trangana tsy fandriampahalemana iny faritra Ambodivona hatrany Manjakaray iny. Ilay renim-piakaviana no saika nokendren’ireo jiolahy hotifirina saingy nieren-doza izy? Tsy mbola fantatra mazava na fikasan-jiolahy hanao fanafihana na inona ny antony. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.
J.C