Isan-taona, manokana andro iray ho fanentanana ny mpiasa rehetra ao aminy momba ny fandraisan’ny orinasa Orange anjara amin’ny fahasalamana, fiahiana ary ny fenitra hanatanterahina ny asa ny tomponandraikitra mpitantana. Toerana efatra no nanatanterahina izany: Antananarivo, Tanjombato, Mahajanga ary Fianarantsoa. Nisantatra izany ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, i Frédéric Debord, ary niaraka tamin’izy ireo koa ny fianakavian’ny mpiasa tao anatin’ny lalao sy fanentanana samihafa.
Nisy ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida, diabeta sy ny haavon’ny tosidra. Afaka nanome ra ihany koa ireo mpiasa vonona tamin’izany. Fotoana nahafahana nanao vaksiny samihafa ho an’ny mpiasa ny andron’ny fanentanana. Nisitraka fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ny mpiasa tany Fianarantsoa sy Mahajanga. 500 ny mpiasa sy ny ankohonany nahazo tolotra fahasalamana ho an’ny toerana efatra nanaovana izany.
“Laharam-pahamehana ho an’ny orinasa ny fahasalaman’ny mpiasa rehetra ary manana fiahiana ara-pahasalamana feno izy ireo sy ny fianakaviany. Misy toerana manokana fikarakarana ny fahasalamana eo anivon’ny orinasa foibe eny Ankorondrano ary ivontoerana 17 hafa ho an’ny mpiasa miasa ivelan’Antananarivo”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Sady fifaliana no fanatanjahantena no notanterahina ka nisy ny dihy sy ny hira niarahana amin’ny mpiasa manan-talenta.
Vonjy