TSELATRA

Lahiantitra 60 taona, voalaza nanolan-jaza vao 5 taona nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Fenoandalana, distrikan’ Betioky Atsimo, ny faran’ny herinandro teo. Nota­nana atao famotorana io lehilahy io raha toa ka manaraka fitsaboana ny lasibatra.

Hiakatra fitsarana anio ireo olona 10 voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Allan, ilay ankizilahy 10 taona teny Andavamamba ny alin’ny 10 febroary 2023. Mpanofa trano tao amin’ny ray aman-drenin’i Allan ihany no atidoha nikotrika ity vonoan’olona ity. Resaka hofan-trano tsy voaloa no nitarika izany.

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ny mpanendaka iray tratra teo Anosy, omaly hariva. Nanendaka vehivavy nandeha taxi-be izy saingy nanohitra ilay lasibatra ka nanampy azy ireo olona nahita izany. Naratra ilay jiolahy saingy tafaporitsaka ihany noho ny tahotra.

Partager sur: