… Somary nangingina… Tonga tsikelikely ny mpijery… Feno tanteraka ny Kianja Barea Imahamasina. Nahitana sokajin-taona samihafa ny teny an-toerana. Nafana tanteraka ny « Manal’Azy vita Bacc » andiany faha-33.
Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Barea Imahamasina, ilay fampisehoana « Manal’ Azy vita Bacc » niarahana tamin’ny Olombelo Ricky. Andiany faha-33, nahitana fa tsy an’ny mpanala fanadinana bakalorea irery intsony izy ity fa ho an’ny olon-drehetra mihitsy. Zaza, ankizy, tanora, olon-dehibe, ireo efa nahazo taona, tonga nijery avokoa.
Voatety tao anatin’ny adin’ny 5 teo ho eo ny 33 taona nisian’ny « Manal’Azy vita Bacc ». Ireo hira nahafantarana ny Olombelo Ricky hatramin’izay rahateo no nandrakotra ny fandaharam-potoana. Voatsiahy ireo sanganasany voarakitra anatin’ny « Ikalangita », tafapaka hatraty amin’ireo ao anatin’ny « Tsikombakomba », sns. Samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay… Anisan’ny nanintona ny mpijery ihany koa ny fiakaran-tsehatr’i Edgard Ravahatra sy i Sylvin Marc, samy andrarezina amin’ny fitendrena zavamaneno. Nanakoako ny « Mandravasarotra »…
Ankoatra ny tolotra nahafa-po ny mpijery nomen’ny Olombelo Ricky, anisan’ny nampiavaka ny « Manal’Azy vita Bacc » andiany faha-33 taona ny nampiasan’ny mi’Ritsoka Production ireo fitaovana vaovao. Nisongadina indrindra tamin’izany ny jiro maro loko sy ny hazavana, izay anisan’ny raitra sy nifanaraka tamin’ny filan’ny fampisehoana sy ny mpijery. Fantatra nandritra ity seho ity fa hisy ny « Manal’Azy » tanora zokiny.
Manana ireo mpitia na mpankafy ny sanganasany ny Olombelo Ricky. Tahaka izany ihany koa, efa manomboka ho filan’ny mpitia zavakanto ny hetsika « Manal’Azy vita Bacc ». Ezaka goavana vao tonga tamin’ireo. Izay fandalinana sy fitozoana izay no tsara hananan’ny Malagasy mpanakanto rehetra fa tsy eo amin’ny hira irery!
HaRy Razafindrakoto