«3ème Nationale de Miribel Côtière 2024»: norombahin’ny Malagasy ny amboara

Tsy mitsahatra ny mandravarava ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe any Frantsa, amin’izao
fotoana izao. Norombahin’i Madagasikara indray mantsy ny “3ème Nationale de pétanque
Miribel côtière 2024».

Notanterahina tao amin’ny Kianja St Maurice-de-Beynost ao Frantsa, ny alahady lasa teo, ny famaranana niadiana ny “3ème Nationale de pétan­que Miribel côtière 2024», taranja tsipy kanetibe. Norom­bahin’ny ekipa malagasy, nisy an’i Donald, i Hery ary i Sedrick ny amboara tamin’ity.
Resin’izy telo mirahalahy teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 10, ny ekipan’i Miribel, mpikarakara ny fifaninanana sady tompon-tanàna, nahitana an’i Collange sy i Caillot ary i Antunès. Niady ny fihaonana saingy hain’ny Ma­lagasy ny nifameno teny ambony kianja, na teo amin’ny fitifirana izany na teo amin’ny fangalana isa, “pointe”. Nira­radraraka ihany koa ny “carreau” nataon’i Sedrick izay nampivarahontsana ny mpifanandrina taminy.
Nitarika hatrany ny Mala­gasy teo amin’ny isa. Tsiahivi­na fa adin’ny samy Malagasy ny teo amin’ny lalao manasa-dalana nikatrohan’ny ekipan’i Donald sy ry zalahy Masters, nahitana an’i Ny Havana, Baloti ary i Tselonina. Toy ny nijery famaranana kely ny rehetra tamin’izany. Nifa­ma­liana ny “carreau” sy ny “pointe” teo amin’ny roa tonta. Nahavaky vava ny vazaha ny nahita ny fahaizan’ny Mala­gasy ity taranja tsipy kanetibe ity.
Tsiahivina fa efa nandrombaka ny National d’Yzeure, natao ny 6 sy 7 jolay ihany koa ny Malagasy izay lasan’i Zigle sy i Hery ary i Bruno, rehefa nandresy an’i Baloti sy i Tiana kely ary i Ny Havana, teo amin’ ny famaranana. Marihina fa ta­fiditra ao anatin’ny “Tournée estivale 2024”, ity fifaninanana natrehin-dry zalahy ity. Mitohy hatrany ny fihaonana izay mitety faritra maro ao Frantsa.

Tompondaka

Partager sur: