Namoaka ny tatitry ny zava-bitany nandritra ny telovolana farany, nikatona ny 30 jona 2024, ny orinasa Airtel Africa. Tamin’ny ankapobeny, nahomby ny asa vita, na teo aza ny fahasarotan’ny toekarena maneran-tany. Niakatra 8,6% ny isan’ny mpanjifa rehetra aty Afrika, manome 155,4 tapitrisa. Nitombo 13,4 % ny mpampiasa ny tolotry ny Airtel Africa (64,4 tapitrisa). Niakatra 25,1% ireo mpikirakira ny internet (6,2 Go), raha nitombo 4,7 % ny mpampiasa finday smartphones. Nisy fitomboana 14,9% ny mpanjifa nampiasa ny tolotra amin’ny fikirakirana vola amin’ny finday, ka niakatra 28,7% ny fifanakalozam-bola, nitentina 120 miliara dolara.
Ho an’ny vokatra ara-bola, nitombo 19% ny vola nokirakirain’ny Airtel Africa ankapobeny, ny telo volana voalohany, ka +33,4% ny tany Nizeria ary +22,3% ho an’ny tapany atsinanan’i Afrika.
Nampihena ho lasa 31 tapitrisa dolara ny tombom-barotra ny fatiantoka 80 tapitrisa dolara teo aloha. Teo koa ny fihenandanjan’ny vola nizeriana Naria.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Airtel Africa, Sunil Taldar, fa mampiseho ny fitomboan’ny tinadin’ny mpanjifa amin’ny tolotra omenay ny fitohizan’ny fitomboan’ny vola kirakiraina. Hatao laharam-pahamehana hatrany ny hampiroboroboana ny asa rehetra hatao, indrindra ho an’ny orinasa eo amin’ny sehatry ny orinasa sy ny « fibre optique » ary ny lafiny antontam-baovao niomerika aty Afrika.
Njaka R.