Akany Akamasoa : nanaovana hetsika kopia faobe

Manohy ny fitsarana mitety vohitra ny minisiteran’ny Fi­tsa­ra­na amin’ny fanatanterahana ny ezaka kopia faobe. Teny amin’ny Akany Akamasoa no nanatanterahina izany, ny herinandro teo. Ankizy miisa 615 no nisitraka izany teny an-toerana.
Efa nisy ny hetsika kopia faobe natao tao amin’ny Aka­ma­soa, tamin’ny fanombohana ny Iray volan’ny ankizy, ny volana jona teo, izay nahazoan’ny ankizy manodidina ny 700 kopia.
Tafiditra indrindra ao anatin’ny andry voalohany amin’ny Politikan’ny fanjakana ny ezaka kopia, dia ny fitsinjovana ny maha olona.
Miantoka ny fiainan’ny ankizy ny fananana kopia izay maha olom-pirenena azy. Takina any amin’ny fanaovan-taratasy maro mandritra ny fiainana mihitsy ny kopia ka anisan’ny zo fototra tokony hositrahin’ny ankizy. Betsaka ny sakana amin’ny tsy fananana izany. Tafiditra ao anatin’ny antontan-taratasy takina amin’ny ankizy raha hiditra an-tsekoly ny kopia.
Nankasitraka ny hetsika mompera Pedro. Teo ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny kaominina ambanivohitr’ Ambohimangakely nahatontosa ny hetsika.

Tatiana A

Partager sur: