Ambositra : tovolahy 17 taona hita faty

Ny lohany sy ny akanjony sisa namantaran’ny fianakaviany ny tovolahy iray 17 taona hita faty tao Kidavy, fokontany Antoetra, kaominina Ambositra, ny alahady 28 jolay teo. Tsy hita iray volana lasa izy. Nanao filazana ta­min’ny alalan’ny onjam-peo ny fianakaviany ary nanao ombay mitady. Ny faran’ny he­rinandro teo, mpandalo no na­hatsikaritra lohan’olona. Nian­tso ny manodidina avy hatrany io nanatri-maso io. Nojeren’ ny fokonolona, nahitana akanjo sy taolan’olona teo amin’io toerana io, ankoatra ilay loha. Nanama­rina ny ray aman-drenin’ilay zaza very. Nanamafy ny reniny fa zanak’izy ireo izay tsy hita nandritra ny iray volana tokoa ity hita faty ity. Taizan’are­tina io ankizilahy io ka sa­fotra matetika. Manana olana eo amin’ny fahasalaman’ny saina koa izy vokatry ny aretina nitaiza azy. Tsy hita tampoka ary tsy naharenesam-baovao intsony. Nato­lotra ny fianakaviany ary efa nalevina io tovolahy hita faty io. Misokatra ny fanadihadian’ ny zandary ao an-toerana manoloana ity tranga ity.

Tsiferana R.

Partager sur: