Andraikitra fiarahamonina: mazoto hanao RSE ny 82% ny orinasa

Miroso tsikelikely ny fametrahana iraisana sy ny fampifanarahana amin’ny lalàna ny fandraisana andraikitry ny orinasa tsy miankina eo amin’ny fiarahamonina (RSE). Natao ny 26 jolay teo ny atrikasa fankatoavana ny Paikady nasionaly ma­ha­kasika ny fandraisana andraikitry ny orinasa amin’ny lafiny sosialy sy ny tontolo iainana (SNRSE). Fivoriana niarahan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ary ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF). Nanao tantsoroka izany ny Fondation Tany Meva.
Fantatra fa mazoto hiroso hampihatra ny RSE ny 82% ny orinasa, ka ny fandrindrana izany no antony nametrahana ny paikady nasionaly SNRSE. Malalaka ny tsirairay misafidy izay sehatra tiany hotanterahina, ka haroso hankatoavina eny amin’ny filankevitry ny governemanta. Mirindra amin’ny Politka ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fametrahana ity paikady ity. Tsiahivina fa efa nisy ny fakan-kevitra teny anivon’ny faritra, mialoha ny nirosoana amin’izao paikady nasionaly izao.

Njaka A.

Partager sur: