Bakalorea teknika: miatrika ny dingana faharoa ireo mpiadina

Mitohy nanomboka omaly ary haharitra hefarana ny dingana faharoa amin’ny fanadinana bakalorea teknika manerana ny Nosy. Miatrika izany ireo mpiadina ao anatin’ny sokajy teknolojia sy fanofanana arakasa, ao amin’ny lalam-piofanana teknika. Zava-dehibe ho an’ireo mpiadina ity fanadinana ity satria hanaovana ireo taranja manokana ho an’ny sokajy tsirairay avy. Mizotra am-pilaminana tsara tahaka ny tamin’ny herinandro ihany ny fanadinana ho an’ny teny anivon’ny LTC manokana. “Nisy fahatarana kely teo amin’ny 10 minitra teo ny fanombohan’ny fanadinana ho an’ny omaly maraina noho ny fanomanana sy ny fitsinjarana ny laza adina ary ny fitaovana isaky ny efitranom-panadinana”, hoy ny Chef de centre LTC, Rafeloson Solohery Charlie. Ho an’ny omaly maraina, maro ireo ankizy tara fidirana teo amin’ny 20 minitra teo ho eo. Nambarany fa tsy maintsy nandeferana foana izy ireny mba tsy ho very ny fanadinana ankapobeny nata­ony tamin’ny herinandro.
Raha ho an’ny etsy amin’ ny LTC Ampefiloha manokana, 750 ireo mpiadina voasoratra anarana. 733 ireo tonga niatrika izany, 17 ireo tsy tonga hatramin’ny omaly. Mi­tsinjara amin’ny efitranom-panadinana 30 ireo mpiadina. Telo na roa ireo mpiambina ny efitranom-panadinana tsirairay. “Nohamafisina ihany koa ny mpanara-maso eny amin’ ny lalantsara sy any amin’ny toeram-pivoahana mba hahatonga ny fanadinana hizotra araka ny lamina sy tsy hisian’ ny hosoka amin’ny endriny rehetra”, hoy hatrany izy. Marihina fa nanomboka omaly koa ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny bakalorea ankapobeny.

Mino

Partager sur: