Famonoana an’i Allan : vehivavy iray migadra 20 taona

Niakatra fitsarana omaly, ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana nihatra tamin’ilay ankizilahy 10 taona antsoina hoe Rakotozafy Alain Maherinjaka na Allan. Olona 10 indray voarohirohy tamin’izany ka samy nohenoina teo anoloan’ny fitsarana. Raha ny loharanom-baovao voaray, natao tao anaty efitrano mihidy ny fitsarana ka tsy afaka nanatrika izany ny olona hafa ankoatra ireo voampanga. Mpanampy vavy iray nomelohin’ny fitsarana sazy mihatra 20 taona an-tranomaizina, raha ny vaovao hatramin’ny ora farany nanoratana. Anisan’ireo niray tsikombakomba tamin’ny famanoana izy. Mbola mitohy kosa ny fotoam-pitsarana ireo namany. Ny alin’ny 10 febroary 2023 no nitrangan’ity vonoan’olona ity, teny Andavamamba. Mpivady mpanofa trano tao amin’ny ray aman-drenin’i Allan ihany no voalaza ho atidoha nikotrika ny famonoana. Tsy nahaloa ny hofan-trano ireo mpanofa ka nahatezitra ny tompon-trano izany, voatery niafara tamin’ny fandroahana hiala ny trano, iray volana mialoha ny famonoana. Niharan’ny fandrahonana ny renin’i Allan kanjo niafara tamin’ny famonoana an-janany izany. Notsa­totsatohan’ireo namono tamin’ny antsy i Allan.

J.C

Partager sur: