“Fier-Mada andiany faha-25”: Antoka ho an’ny fampandrosoana ny famokarana

Fotoan-dehibe iray mampivondrona ny mpisehatra rehetra eo amin’ny lalam-pihariana fambolena sy fiompiana ary ny famokarana avy amin’ny faritra manerana ny Nosy ny hetsika “Foire internationale de l’economie rurale de Madagascar” (Fier-Mada), andiany faha-25, atao eny amin’ny Kianja Maki Andoha­ta­penaka. Hotonto­saina ny 7 ka hatramin’ny 11 aogositra izao ny hetsika. Samy haneho ny fahaiza-manaony amin’ny alalan’ny fanodinam-bokatra sy ny lalam-barotra samihafa momba izany ireo matihanina isan-karazany. Hampiseho ihany koa fa antoky ny fampandrosoana ny toekarena ny fambolena sy ny fiompiana. Lohahevitra ho an’ny fankalazana ny faha-25 taona ny hetsika ny hoe « toekarena amba­nivohitra miroborobo: arovan’ny fanjakana amin’ireo loza rehetra mihatra ny asa famokarana ». Tafiditra ao anatin’ny Politikam-panjakana rahateo ny fampiroboroboana ny tontolon’ny famokarana ho an’ ny fampandrosoana ny toekarena eto Mada­gasikara.
Araka izany, ho hita mandritra ny hadimiana ny vokatra mampiavaka ireo mpandraharaha samihafa sy ny mpamokatra tsirairay avy.

Henintsoa H.

Partager sur: