Fifamaliana nitera-doza: renim-pianakaviana maty notsatoham-badiny antsy

Maty tsy tra-drano vokatry ny vono nataom-badiny ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny kaominina Feramanga, distrikan’Ambatondrazaka, omaly maraina. Nodidian-drangahy ny vihiny ary nitolo-batana teny amin’ny zandary izy taorian’izay.

Nisehoana vono olona nahatsiravina tao amin’ ny fokontany Antokazo, kaominina Feramanga Ava­ratra, distrikan’Ambatondra­zaka, omaly maraina tamin’ny 3 ora. Nifamaly vokatry ny tsy fitovian-kevitra izy mivady. Na­nomboka niakatra ny hateze­ran’ny roa tonta ka raikitra ny fi­fampikasihan-tanana. Naka antsy rangahy, nolerany avy hatrany io ramatoa vadiny io. Tsy vitan’izay, mbola no­tsin­drotsindronin-drangahy tamin’ ny alalan’ny angady rovi-dela “fourche” teo amin’ny loha sy tendan’io renim-pianakaviana 29 taona io. Tapitr’aina teo no ho eo ity farany. Nahare ny zava-nitranga, nikoropaka ha­monjy an-dreniny avokoa ny zanany telo mianadahy. “Lahi­kely vao valo taona no zokiny indrindra amin’ny zanak’izy mivady”, hoy ny kaomandin’ny tobim-paritra misahana ny fanadihadiana.
Nitonon-tena

Tsy hitan’ny fokonolona tao an-trano intsony io raim-pianakaviana nahavanon-doza io. Nesorin-drangahy ta­min’ny antsy ny vihindahiny saingy tsy maty izy. Nitonon-tena teny anivon’ny zandarimaria izy taorian’izay. Araka ny loharanom-baovao, matetika misy fifamaliana eo amin’
izy mivady ireo. Tsy nampoi­zin’ny manodidina ny zava-nitranga tampoka omaly ma­raina nataon’io lehilahy tsy valahara io. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny raharaha ny zandarimaria ao an-toerana, amin’izao fotoana. “Tsy nisy nahita ny nahatongavan’io lehilahy io teto anivon’ny biraon’ny zandary”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny Tobim-paritra Ambatondra­zaka, omaly.

Tsiferana R.

Partager sur: