Ao anatin’ny fitsidihana ara-panjakana ireo firenena afrikanina ny filoham-pirenena malagasy, miaraka amin’ny delagasiona tarihiny, amin’izao. Fanatsarana ny fifandraisana amin’ny any ivelany sy ny fitadiavana fiaraha-miasa no tanjona amin’izany.
Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, Osvaldo Viera, ao Bissau, renivohitr’i Guinée-Bissau, omaly tolakandro, ny delegasiona malagasy tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Fitsidihana ara-panjakana noho ny fanasan’ny filohan’i Guinée-Bissau, Umaro Sissoco Embaló izany. Heni-kaja tanteraka ny delegasionina, indrindra ny filoham-pirenena, tamin’ny fitsenana sy ny fandraisana. Nanomboka omaly hariva ary hitohy anio ny fihaonan’ireto olom-panjakana ireto. Tanjona amin’izao ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny firahalahiana misy eo amin’ny firenenana roa tonta.
Feno tanteraka ny fandaharam-potoanana. Anio, hisy ny fandraisana amin’ny fomba ara-panjakana sy amim-panajana ataon’ny filohan’i Guinée-Bissau, Umaro Sissoco Embaló, ny filoha Rajoelina Andry. Hitohy amin’ ny fanolorana fanalahidin’ny tanànan’i Bissau, ataon’ny ben’ny Tanànan’i Bissau amin’ ny filoha malagasy izany. Mariky ny fanamafisana ny fifandraisana ara-pirahalahiana misy eo amin’ny roa tonta izany. Hitohy amin’ny dinika manokana ifanaovan’ny filoham-pirenena roa tonta izany, dimbiasan’ny fivoriana eo
amin’ny delegasion’ny firenena roa tonta. Hisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa aorian’izay fivoriana izay.
Hitohy amin’ny fitsidihana toerana maro ao an-toerana ny dia aorian’izay. Anisan’ izany ny famangiana ny fasan’ny Maherifo “Amura”, fametrahana fehezam-boninkazo eo amin’ny fasan’i Amilcar Cabral sy ny Jly João Bernardo Vieira. Hisy ihany koa ny fitsidihana orinasa maro isan-karazany, sahala amin’ny ozinina fanodinana mahabibo (noix de cajou) an’ny vondrona orinasa Santy Commercial. Faranana amin’ny fandehanana an-tongotra, ataon’ny filoham-pirenena roa tonta ao amin’ny tanànan’i Bissau – Bissau Velho, miaraka amin’ny delegasiona malagasy sy ny minisitra Guinée Bissau vitsivitsy ary ny ben’ny Tanàna ny fandaharam-potoana.
Lin