Jiu-Jitsu – «Kids Bjj Games» : nanjaka ny klioban’ ny Checkmat

Notanterahina teny amin’ny Dojo an’ny Esca Antanimena, afakomaly, ny fifaninanana taranja Jiu-jitsu brezilianina, “Kids Bjj Games”, izay natokana ho an’ny ankizy 6 hatramin’ny 16 taona. Hetsika izay nokarakarain’ny klioban’ny BJJ Esca. Nanjaka ny mpilalaon’ny Checkmat Madagascar, izay nandrombaka medaly 16 (valo ny volamena, fito ny volafotsy ary iray ny alimo). Nahazo ny laharana faharoa kosa ny BJJ Esca (fito volamena, dimy volafotsy ary efatra alimo). Tsiahivina fa miisa fito ny klioba nandray anjara tamin’ity andiany faharoa ity, izay nahitana ankizy 60 mianadahy. Anisan’ny ekipa nifanintsana tamin’izany ny BJJ Esca, ny Checkmat, ny Club 101 Jiu jitsu, ny One tribe, ny Guerreros sy ny Southside, ary ny Templar Martial Artists.
“Afapo tanteraka tamin’ity fifanintsanana ity izahay, azo lazaina hoe tratra ny tanjona”, hoy Ianjasolofo Hasimbola, mpanazatra ny BJJ Esca. Nomarihin’ity mpanazatra ity fa natao hifampizarana traikefa sy ho fitaizana ny ankizy ity lalao “Kids Bjj Games” ity. Manana vina ny hanasa ireo klioba any ivelan’ny Nosy ny mpikarakara amin’ny taona ho avy. Notsiahivin’izy ireo fa nanomboka ny taona 2023 teo ny andiany voalohan’ny hetsika, ary klioba roa no nifanintsana tamin’ izany.

Fitia Randria

Partager sur: