Basy Kalach iray miaraka amin’ny bala roa sy Mass 36 iray no azon’ny zandary tao amin’ny distrikan’i Mahabo, ny alahady alina teo. Basy nampiasain’ireo dahalo nampitondra faisana ny kaominina Beronono, Ambia, Ankilizato hatrany Mahabo izy ireo. Nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary no nahatrarana ny dahalo iray nitazona izany tao Anjivabe, fokontany Ankeriky Malaimbady. Fantatra fa dahalo efa mpamerin-keloka izy ity sady mpikambana ao amin’ny andian-dahalo antsoina hoe Emmo/Reg. Maty voatifitry ny zandary izy nandritra ny fifandonana.
J.C