Razafindrakoto: « Vonona hirotsaka hofidina ny olona manana fahasembanana »

Mitafa momba ny firotsahan’ny olona manana fahasembanana amin’ny fiainana politika Razafindrakoto Falihery, tomponandraikitra amin’ny fanentanana sy fanabeazana momba ny fampandraisana anjara ny olona manana fahasembanana anatin’ny tetikasa Safidy Maharitra.

Gazety Taratra (*): Inona no antony tsy mamparisika ny olona manana fahasembanana mandray anjara amin’ny fifidianana eto amin­tsika?
Razafindrakoto (-): Misy antony maro: noho ny tsy fahampiana fanentanana sy fampahafantarana dia miaina ao anaty tsy fahalalana ny olona manana fahasembanana. Tsy voasoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy koa izy ireo nefa io no varavarana voalohany hisitrahana ny zo ara-politika sy fifidianana. Ny fanentanana misy rahateo tsy miantraika loatra amin’ny olona manana fahasembanana noho ny sakana ara-pifandraisana. Mbola betsaka koa ny fanavakavahana sy fanambaniana ny olona manana fahasembanana. Ny sary ao an-tsain’ny olona raha vao miteny hoe olona manana fahasembanana dia olona mahantra, mpangataka ary mila fanampiana lava.

*Efa nisy olona vonona ny hirotsaka hofidina ve fa nihemotra indray noho ireo sakana ireo?
– Nisy tokoa ireo efa niro­tsaka hofidina solombavambahoaka na naniry hanao mpanolotsaina fa iharan’ny fanavakavahana, heverina hoe tsy natao hitondra izy ireo fa na­tao hoentina sy hampiana lalandava. Tamin’ity taona ity, nisy namana manana fahasembanana nirotsaka hofidina solombavambahoaka teny amin’ny boriborintany fahenina, saingy nipetraka ho olana ho azy ny petra-bola. Lafo loatra ilay 20 000 000 Ar ka lany any avokoa ny vola tokony ha­na­ovana fampielezan-kevitra.

*Ho avy ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina, vonona ve ny olona manana fahasembanana hirotsaka hofidina?
– Mifampizara izahay ao anaty fikambanana miahy ny olona manana fahasembanana ka misy ireo maniry hirotsaka ho mpanolotsaina any amin’ny kaominina samihafa.

*Inona no andraikitrao ao amin’ny tetikasa Safidy Maharitra?
– Andraikitro ny mampitombo ny fandraisana anjaran’ireo olona manana fahasembanana: fisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy, fanentanana sy fanabezana fifidianana, fanaraha-maso ny fifidianana, firotsahana hofidina, ary indrindra fandehanana mifidy.
Ny tetikasa Safidy maharitra dia manana tanjona manokana mahakasika io fandraisana anjaran’ny olona manana fahasembanana io. Izy irery no fikambanana nitady olona manana fahasembanana hia­sa ao aminy hitarika io sehatra iray io.

Vonjy

Partager sur: