SOMBIM-BAOVAO

Tonga nitsidika sy nampahery ny atleta fito mianadahy miatrika ny lalao Olympika atao any Paris France, ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry, ny alahady lasa teo. Tsiahivina fa mpilalao dimy amin’ny fito any Paris no mbola miatrika izany fifanintsanana goavana izany.

Miverina amin’ny heriny ny ekipan’Ambon­drona, amin’ny fifaninanana “XXL Top 20” federaly 2. Resin’izy ireo tamin’ny isa 23 no ho 15 ny ekipan’ny SOE, ny alahady lasa teo, teny Malacam. Tazana na­na­zatra ity klioban’Ambondrona ity i José, teknisianin’
ny 3FB teo aloha.

Hotontosaina anio, any Paris, ny famaranana ny taranja Rugby lalaovin’olona fito, sokajy vehivavy, amin’ity lalao Olympika 2024 ity. Fanamby goavana no miandry ny ekipa frantsay mpampiantrano amin’ity, dia ny hahazo medaly volamena mitovy amin’ireo frantsay lehilahy. Tsiahivina fa laharana voalohany tao amin’ny vondrona “C” izy ireo.

Nahintsan’i Novak Djokovic, serba mpilalao tenisy, teo amin’ny dingana faharoan’ny fifanintsanana lalao Olympika, Paris 2024, amin’ny olon-tokana, lehilahy, i Rafael Nadal, espaniola. Nandresy tamin’ny seta 2 no ho 0 (6, 1/6,4) i Djokovic. Tsiahivina fa mbola mandray anjara amin’ny lalaon’olon-droa miaraka i Nadal.

Partager sur: