Telo herinandro!

 

Fifidianana sy fananganana governemanta izao no malaza. Tsy mbola ho ato ho ato mihitsy aloha ity farany raha ny angom-baovao azo. Mbola mamita iraka any ivelany rahateo ny filohan’ny Repoblika sy ny mpiara-miasa aminy. Taorian’ny tany Paris, mbola ho any Angola sy Guinée ihany koa ny delegasiona izay tarihiny. Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany ny mpitondra, ankehitriny.
Mifanindran-dalana amin’izay, miparitaka ny feo fa tsy hisy akory ny fanovana tanteraka ny mpikambana amin’ny governemanta. Ireo departemanta tsy manana minisitra ihany no mety hahazo ny anjarany. Ho mpameno ny banga ireo olona hotendrena. Iaraha-mahalala fa misy ny lasa depiote, eo koa ny minisitra tsy lany. Na ity sokajy farany na iry voalohany anefa dia tsy afaka ny hiverina hitantana ny andraikiny teo aloha intsony. Raha tena manaraka ny lamina demokratika marina i Madagasikara.
Ny depiote vao lany dia tsy tokony hamitaka ny mpifidy azy. Ny tsy lany moa dia efa hita izany ny toerana misy azy eo amin’ny fanorona politika. Ireo minisitra mbola am-perinasa kosa anefa toa tsy ampy handrefesana ny zava-bita sy hanaovana tombana izay enim-bolana izay. Ilaina ny fitohizan’ny asa fa tsy sanatrian’ny vava hanova olona matetika. Tsy ny olona rahateo no olan’i Madagasikara fa ny fomba fiasa.
Afaka telo herinandro eo! Izay vao mety azo antoka fa ho tafapetraka ny governemanta vaovao. Miankina amin’io anefa ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna. Efa nanolo-kevitra iny ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, Ceni, fa amin’ny volana desambra. Asa, mety ho tratra ve raha izao fitarozahan’ny fametrahana ny governemanta vaovao izao? Samy miandry aloha hatreto. Maka bahana ny lamasinina haingam-pandeha!

r.r

Partager sur: