Olona efatra naratra mafy ka zazakely ny iray vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Vohidiala, distrikan’Ambatondrazaka, omaly maraina. Niainga avy any Tsinjoarivo ary nikasa ho any Ambatondrazaka ity fiara ity kinanjo vaky kodiarana tampoka. Potika tanteraka ny fiara. Manaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly Ambatondrazaka ireo naratra.
Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto iray nifandona tamin’ny fiara teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, ny alin’ny alahady 28 jolay teo. Nandeha mafy, potika tsy nisy namantarana azy intsony ilay kodiaran-droa.