Baolina kitra afrikanina : hiakatra fitsarana any Suisse i Ahmad Ahmad sy ny Caf

Hiakatra eo anivon’ny fitsarana misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanatanjahantena (Tas) indray ny raharaha nampifanolana an’i Ahmad Ahmad, filohan’ny Kaonfederasiona afrikanina baolina kitra teo aloha sy ny Caf.

Navoakan’ny rohin’ny fitsarana misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanatanjahantena (Tas), ny 11 jolay lasa teo, fa hiakatra eo anivon’izy ireo indray ny raharaha Ahmad Ahmad, filohan’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) teo aloha (16 marsa 2017 – 13 novambra 2020). Mitory ity rafitra misahana ny baolina kitra eto Afrika ity, i Ahmad Ahmad, araka ny antontan-kevitra laharana TAS 2023/ A/9528.
Hotanterahina ao Lau­sanne Suisse ny raharaham-pitsarana, ny 26 septambra 2024. Tsy azon’ny daholobe hatrehina fa ho an’ny voakasika ihany, izay azo atao amin’ny alalan’ny fampitan-davitra. Tsiahivina fa andoavana 25 000 euros ny fanaovana fampiakarana ao amin’ny Tas.
Mitory ny Caf ihany koa, amin’io fotoana io, ilay congolais, i Constant Omari Sele­mani, filoha lefitry ny Caf tamin’izany sy ilay gineanina, i Almamy Kabele Camara, ko­mity mpanatanteraka.
Raha tsiahivina, samy nosazian’ny Fifa avokoa izy telo mirahalahy ireo noho ny zava-nisy tao amin’ny Caf. Anisan’ireo vesatra niampangana ny filohan’ny Caf tamin’izany, ny fanamparam-pahefana, ny kolikoly ary ny fandaniam-bola tsy misy antony. Nitory azy ho nanao fanararaotana ara-nofo tamin’ny mpiasan’ny Caf iray koa i Amr Fhamy, sekretera jeneraliny. Voasazy tsy mahazo misahana baolina kitra nandritry ny 5 taona i Ahmad ary mandoa onitra 185 000 euros. Nam­piakatra ny raharaha i Ahmad ka nahazo rariny ary niverina ho filohan’ny Caf. Nahena ho 2 taona sy 45 000 euros ny saziny, izay efa vita tanteraka ankehitriny. Amin’ity, i Ahmad Ahmad mihitsy no manao valin’ady ho an’ny Caf ka andrasana ny ho tohiny. I Ahmad Ahmad, izay vao lany ho solombavambahoakan’i Madagasikara ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo.

Tompondaka

Partager sur: