Fampianarana: mila omena vahana ny fomba…

… Simba noho ny tsy fahalalam-pomba ny fiarahamonina mala­gasy. Anisan’ny olana goavana nahatonga izany ny tsy nampitan’ny raiamandreny ny fomban-drazana, ny fomban-tany, ny fombam-piarahamonina, sns, taty amin’ny taranaka mandimby. Ny ankehi­triny, rahateo, kamo mikaroka, malaina ny hianatra.
Anisan’ny fanarenana mila ampiharina eto Madagasikara ny fanovana ifotony ny fandaharam-pianarana any an-tsekoly. Omena lanja sy ampaham-potoana lehibe ny fomba malagasy. Tsy atao zara fa hita any anatin’ny taranja malagasy tahaka ny amin’izao fotoana. Marihina anefa fa tsy mitovy ny fomba manerana ny Nosy. Noho izany, tsara ny mianatra azy manontolo.
Azo atao, ohatra, ny mampianatra ireo fomba misy eo amin’ ny toerana na vohitra na tanàna iorenan’ilay sekoly. Mianatra ny ivelan’ ilay faritra indray avy eo… Tahaka izany hatrany. Amin’izay fotoana izay, azo antoka ho voahaja ireo fomba, hirindra ny fiarahamonina, satria, samy hanaja izany avokoa.
Harena ny fahasamihafana, hoy ny mpikaroka momba ny tantara. Raha samy manaja sy mifanaja amin’ny fombany, hilamina ny fiarahamonina. Tsy hisy ny disadisa isan-karazany. Tsy ifampiha­tsaravelantsihy ny Malagasy!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: