FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny depiote voafidy tao Bealanana, Faritra Sofia, i Jaozandry René, fa hamolavola tolo-dalàna iadiana amin’ny halatra omby. Efa miray hina amin’izany ireo depiote ao amin’ny Faritra Sofia. Hohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana eny an-toerana ho fandravonana ny ady tany izay anisan’ny sakana koa amin’ny fampandrosoana.
Hanao fivoriambe ao Fianarantsoa, amin’ny 2 aogositra ho avy izao, ny adiminisitratera sivily, tarihin’ny Sendikà nasionalin’ny adiministratera sivily (Synad). Maro ireo lafin-javatra hodinihina sy hanapahan-kevitra amin’izany. Maro amin’ireo adminisitratera sivily no misetra olana amin’ny fanatanterahana ny asany. Na izany aza, tsy misy resaka politika ny raharaha.
« Mba ho Antenimierampirenena mandala ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra ». Niantso ireo solombavambahoaka eny anivon’ny Antenimie­ram­pirenena ny avy eo anivon’ny Transparency International- Initiative Madagascar (TI-MG), tanatin’ny fanambarana nataony, ny amin’ny fandalàna ny fahitsiana, ny fiadivana amin’ny kolikoly ary ny fiarovana ny tombontsoan’ny olom-pirenena.
« Taratry ny tena fitsinjaram-pahefana sy ny demokrasia ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny antoko Tim. Nangataka ny tokony hamoahana mazava ny datin’ny fifidianana kaominaly ihany koa izy ireo. Daty izay efa natolotry ny avy eo anivon’ny Ceni, saingy miandry ny fankatoavan’ny governemanta.

Partager sur: