Fikojakojana lalana : mandroso paikady ho an’ny teknisianina malagasy ny Jica

Manome fiofanana momba ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana ry zareo Japonais. Nisy ny fiofanan’ny Malagasy teknisiana tany Japon.

Manohana an’i Mada­gasikara amin’ny ha­metrahana rafitra sy paikady maharitra hikojakojana ny lalana sy ny tetezana ny Fiarahamiasa japonais ho an’ny fampandrosoana (Jica). Voarakitra ao anatin’ny Teti­kasa Fampivoarana ny fahaiza-mitantana amin’ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara (F3LTM) ny fiaraha-miasa. Ao anatin’ny dingana faharoa izao, nametrahana ny Komity mpandrindra iombonana (CCC), tarihin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, Sambisolo Emile Joseph, ahitana teknisiana japonais mia­ra-miasa amin’ny Malagasy. Natao, omaly, ny fivoriana iombonan’ny CCC, andiany fahenina, nanaovan’ny asam-baomiera miisa telo tatitra ny zava-bita sy ny manaraka. Voalohany, ny drafitrasa mirakitra ny fanaraha-maso sy ny fanadihadiana. Faharoa, ny drafitrasa fanaraha-maso sy fanadihadiana ny tetezana. Fahatelo, ny drafitrasa ny dingana arahina amin’ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana.
Andrana eny amin’ny RN2

Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisitera fa hisy tetikasa andrana, hampiharana ny fiofanana azon’ny Malagasy teknisianina andiany miisa telo tany Japon. Any amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN 2), PK 2 hatramin’ny PK8, no hanatanterahana izany, any Ambohimangakely. Nomarihiny tsara, fa tsy fanarenan-dalana ity fiaraha-miasa amin’ny Jica ity, fa fametrahana fomba fiasa sy paikady hampaharitra ny lalana.
Natao ny 2017 hatramin’ny desambra 2021 ny dingana voalohany, nanomboka jolay 2022 ny faharoa, maharitra 4 taona. Tokony hifarana amin’ny febroary 2025 ny tetikasa F3LTM, saingy tsy afaka tonga teto Madagasikara ireo teknisiana japonais noho ny fisian’ny fifidianana filoham-pirenena teto amintsika. Nangatahana ny hanalavana roa volana ny tetikasa, ka hofaranana amin’ny avrily 2025. Afapo amin’ny fiaraha-miasa ry zareo Jica.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: