Kitra – D2 National : manana isa efatra ny AS ST Anne

Notanterahina omaly, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions D2 National”.
Nahazo vokatra tsara ny ekipan’ny AS ST Anne, solon­tenan’Analamanga. Nandresy ny ekipan’ny Black Power Sofia, 1 no ho 0 izy ireo, omaly, tany Vohemar. Mana­na isa efatra izy ireo amin’izao fotoana izao.
Araka ny vaovao voaray, dia baolina tafiditr’i Frédéric, mpilalaon’ny AS ST Anne tany amin’ny minitra faha-80 no nahazoan’ny mpilalaon’Anala­manga ny fandresena. Tsia­hivina fa teo amin’ny andro voalohany, nanao ady sahala 0 no ho 0, tamin’ny Espoir Be­tsiboka, ity tompondakan’Ana­lamanga 2024 ity.
Mbola manana lalao telo ambiny sisa ny AS St Anne. Hifanandrina amin’izy ireo eo amin’ny andro fahatelo ny FC Theo Sava. Marihina fa nandresin’ny Espoir United, 2 no ho 1, ny FC Theo, nandritra ity andro faharoa ity, ary manana isa enina izy ireo amin’ity fifanintsanana ity. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa amin’ity dingana voalohany ity, miisa efatra ny vondrona ary ahitana klioba enina avy izany. Izay telo voalohany isam-bondrona ihany no miakatra ao amin’ny dingana faharoa. Hozaraina vondrona roa indray ireo klioba 12 tafita ireo ka izay roa voalohany no tafita amin’ny “Poule des AS”, izay hatao lalao mandroso sy miverina.

Fitia Randria

Partager sur: