Madagasikara- Guinée-Bissau : tafapetraka ny fiaraha-miasa lasitra amin’ny sehatra maro

« Pejy vaovao ho an’ny sehatry ny diplaomasia sy ny fiaraha-miasa ary firahalahiana eo amin’i Madagasikara sy i Guinée-Bissau izao nosokafana izao », hoy ny filoha Rajoelina Andry.

Nitohy omaly ny fitsidihana ara-panjakana na­taon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina An­dry, tao Guinée-Bissau. Valin’ ny fanasana manokana na­taon’i Umaro Sissoco, filoham-pirenen’i Guinée-Bissau. Sahala ny fandraisana teny amin’ny seranam-piaramanidina, nakotroka sy am-panajana hatrany no nandraisana ireto delagasionina malagasy ireto. Fana­mafisana ny fifandraisana ara-pirahalahiana mi­sy eo amin’ny firenena roa tonta sy fanatsa­rana ny fiaraha-miasa no tan­jon’izao fitsidihana izao, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena roa tonta.
Sambany teo amin’ny tantaran’ny diplaomasia malagasy sy Guinée- Bissau no nisy filoham-pirenena malagasy tonga nitsidika ity firenena afrikanina iray ity. Nandritra ny fitondran’ ny filoham-pirenena roa tonta no nanomboka niforona izany fifandraisana izany. Anisan’ny firenena nanohana an’i Mada­gasikara nandritra ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 i Guinée-Bissau. Anisan’ireo firenena afrikanina nandray sy nampiasa ny tambavy CVO ihany koa izy. “Ao anatin’ny tetikasa fanandratana ny kaontinanta afrikanina, ny firenena sy ny fitondram-panjakana, ao aminy amin’izao. Santatr’izany izao ataon’i Madagasikara sy Guinée- Bissau izao”, hoy ny filoham-pirenena malagasy.
Nisy, araka izany, ny fametrahana ny lasitry ny fiaraha-miasa amina sehatra misy tombontsoa iombonana, toy ny fambolena, ny toekarena, toekarena manga, angovo sy akoranafo, nandritra ny fihaonan’ ny delegasionina roa tonta. Nanambara ny amin’ny han­defasany manamboninahitra Guinée-Bissau, hiofana ao amin’ny Akademia Mia­ramila Antsirabe, ihany koa ny filoham-pirenena Umaro Sissoco. Tsy nisalasala ihany koa ny filoham-pirenena malagasy naneho ny fahavononana ny amin’ny ho fampiofanana ireo manamboninahitra avy any an-toerana.

Lin

.

Partager sur: