Ao anatin’ny fotoam-pitsarana ny fanadinana bakalorea ny mpampianatra sy ny tomponandraikitra ankehitriny. Asa hanao akory ny taham-pahafahana manoloana ny olana sosialy isan-karazany izay sedrain’ny tanora malagasy ankehitriny. Betsaka ny hodidina sadasada, indrindra ny lafiny sosialy. Ankoatra ny sedram-piainana, mainka manampy trotraka ny firongatry ny zava-mahadomelina.
Sehatra iray, ilàna fandraisana fepetra hentitra ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara. Azo lazaina fa potika tanteraka izany. Mivaralila amin’ny ankapobeny ny zava-drehetra, afa-tsy ny fotodrafitrasa manara-penitra. Manana olana goavana ny mpampianatra sy ny mpandraharaha. Tsy mahagaga raha mirongatra isak’izay fanadinam-panjakana ny hosoka sy ny tsy fanarahan-dalàna.
Gaboraraka ny fizarana ny fahalalana ho an’ny ankizy, tsy hilazana fa tandrevaka. Tsy tan-dalàna sy tsy manaja fitsipika intsony ny tanora. Ny lehibe fakan-tahaka rahateo no efa tsy mandeha amin’ny laoniny. Iza nefa no homen-tsiny. Ireo mpampianatra nilokaloka fa hamita ny adidiny saingy atao an-jorom-bala. Sa ny mpanao an-jorom-bala, baikoin’ny politika hifehezana anaty fahabadoana?
Samy mandanjalanja izay azony raisina angamba ny olom-pirenena rehetra manoloana ny zava-misy. Raha mbola mitohy ny fanaovana tsinontsinona ny taranaka malagasy, sarotra inoana ny fandrosoana na ny fampandrosoana. Tsy ampy ny lokaloka fa hanao an’izatsy na izaroa rehefa ny « atidoha » tokony hiara-miketrika no samy maka ho azy.
« Aleo tara toy izay tsy misy », hoy ny oha-pitenena malagasy. Mbola ambony ny herijika raha hamerenan-kasina ny fampianarana izay mila fanasitranana. Anatin’ny misafidy ny olona hitantana ny minisiteran’ny fampianarana rahateo ny fitondrana ka andrasana izay haterak’Ambatobevohoka.
r.r