Moto sy fiara enina voafaoka: Taxi-be 015 tapaka hisatra!

Tra-doza ny fiara fitateram-bahoaka iray, omaly, teny Ankadilalana. Fiara enina sy moto iray no voafaoka ka potipotika tanteraka. Olona roa naratra izay tena voa mafy ny iray.

Nitrangana lozam-piarakodia nandratrana olona teny Ankadilalana, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Fiara taxi-be zotra 015 hihazo an’i Mahamasina no tapaka hisatra tampoka rehefa nidina tamin’iny fidinana an’Ankadi­la­lana iny. Araka ny fanaza­van’ny mpandeha iray tao anatin’ity taxi-be ity, nanom­boka teo amin’ny Collège de France no nandre zavatra ni­poaka mafy avy amin’ilay fiara ireo mpandeha rehetra. « Re­hefa nidina nahazo an’Anka­dilalana anefa ny fiara no fantatra fa votsotra tampoka ny hisatra ka nahatonga ireo mpan­deha rehetra nikoro­paka. Tsy nahita vahaolana intsony rahateo ny mpamily fa niandry fotsiny izay nidonan’ny fiara », hoy ny fanazavan’ny raim-pianakaviana iray anisan’ireo mpandeha tao anaty fiara. Teo anoloan’ny vavahadin’ny zandarmaria eo Anka­dilalana vao tafajanona ny fiara rehefa nirimorimo nan­deha mafy.
Potipotika

Nisy tamin’ireo mpandeha no naratra. Fiara enina indray voafaokan’ity taxi-be ity. Tsy vitan’izay fa mbola notrongisiny koa ny lehilahy iray nandeha moto. Voalazan’ireo nanatri-maso fa tena naratra mafy vokatry ny dona nahazo azy ity mpitondra moto ity. Efa nen­tina namonjy hopitaly haingana ireo naratra. Mbola ao anatin’ ny fitsaboana ilay mpitondra moto ny mpitsabo hatramin’ny omaly hariva saingy tsy mbola fantatra kosa ny momba azy noho izy voadona mafy nandritra ity loza ity. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana avy hatrany ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana (BAC), nampian’ny zandary avy ao Ankadilalana. Nentina nanaovana fanadihadiana eny amin’ny BAC ny mpamilin’ilay taxi-be namoa-doza. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana azy.

J.C

Partager sur: