Lehilahy roa naratra vokatry ny fivadihan’ny taksiborosy iray tany amin’ny RN11, teo amin’ny sampanan-dalana Maronono, fokontany Centre Ville, kaominina Ilaka-Atsinanana, distrikan’i Vatomandry, afakomaly. Nitatitra olona hihazo an’i Mahanoro io fiara io. Niharan’ny tsy fahatomombanana teknika tampoka anefa ilay fiara. Nivadika nivoaka ny arabe teo amin’ny PK 85+900, anatin’io lalam-pirenena io, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Raim-pianakaviana iray, 35 taona, sy lehilahy iray hafa, 25 taona, naratra. Nentina nihazo ny CSBII Ilaka avy hatrany izy ireo ary nanaraka fitsaboana. Tsy nisy aina nafoy. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy sy nanokatra fanadihadiana momba ity tranga ity ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Ilaka-Atsinanana.
Tsiferana R.