SAMPANA MPAMONJY VOINA : 126 ireo trangana fahamaizana, 35 maty

Nitombo ny trangana famonjena voina nataon’ny Sampana mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodi­dina tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Maha­tratra 126 ireo trangana famaizana niseho, raha ny tatitra nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy Tsaralalana, omaly. Betsaka indrindra tamin’izany ny trangana haintrano, manodi­dina ny 80. 9 ny trangana famaizana fiara, 14 ny famaizana ala,10 ny famaizana noho ny herinaratra, mahakasika ny kojakoja madinidinika kosa ny ambiny. Ankoatra izay, nahatratra 389 ireo famonjena olona teny an-dalambe. 3 ny ny lozam-pifamoivoizana, 14 ny loza hafa, 24 ny maty an-drano, 5 ny famonjena tsotra. Nahatratra 34 ireo maty ary 59 ireo naratra tamin’izany. Antony mahatonga izany ny tsy fitandremana sy ny atsirambina eny anivon’ny fiarahamonina sy ny tokantrano. Eo koa ny fiakarana na fidinan’ny tanjaky ny herinaratra tampoka eny anivon’ny tokantrano ary ny fanajanonana ny afo ao an-trano.
“Tsy tara amin’ny famonjena voina izy ireo fa efa miala eny anivon’ny toby roa minitra aorian’ny antso voaray”, hoy ny lehiben’ny Sampana mpamonjy voina eto Antananarivo, ny commandant Ralaivaonoro Eric Olivier. Antony mahatonga ny fahatarana ny fisian’ny fitohanana eny an-dalana sy ny tsy fanomezan’ny hafa lalana azy ireo na dia efa mandefa famantarana fa misy loza maika hovonjena aza.

Mino

Partager sur: