SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, noraisin’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nante­naina, tao amin’ny biraony ry Rakotondrazaka Oceane sy Mayane, mpirahavavy izay voahosotra ho tompondakan’i Afrika U15, taranja tenisy ambony latabatra. Notoloran’ity tomponandraikitry ny tanànana ity mari-pahatsiarovana sy fanomezana moa izy ireo.
Notontosaina tao amin’ny Kianja Bika Tsiroanomandidy, nanomboka ny alatsinainy teo, ny fampiofanana mpilalao, sokajy zandriny 12 -14 taona, amin’ny taranja basikety. Nahatratra 160 mianadahy no tonga tany an-toerana, avy any amin’ny faritr’Antsira­nana, Toamasina sy Mahajanga ary Antananarivo.
Navoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Malagasy Rugby, ny filaharan’ireo klioba mifanintsana amin’ny “XXL Top 12”. Mitana ny laharana voalohany ny FTM Manjakaray, taorian’iny andro fahefatra iny. Faharoa ny Cosfa miaramila ary fahatelo ny boaikely manohatra TFMA.
Hiakatra an-tsehatra anio, amin’ny “lalao Olympika Paris 2024” , Rasoanaivo Laura, Malagasy mpikatroka Judo, sokajy -70 kg. Ilay laharana faha-16 maneran-tany avy atsy Grande Bretagne, Kelly Pollard Petersen, no hifanandrina aminy. Tsara marihina fa atleta malagasy roa izay no nihintsana, tamin’ireo fito any an-toerana.

Partager sur: