TARATRY ny KANTO

Hisy sampan’ny Académie du Hip-hop hiso­katra eto Madagasikara. Tohin’ny fandalovan’ilay mpanakanto Grödash, izay sady tale ara-javakan­ton’ity ivontoerana any Frantsa ity teto izany. Fan­tatra ihany koa fa i Fyh, izay mpikarakara hetsika manodidina ny Hip-hop no voatendry hitantana izany.

Amin’ny zoma 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 8 ora alina, hanatanteraka seho miavaka ny tarika Jeneraly iray manontolo. Fiarahan’ny mpianakavy, mpinamana, mpianaka, mpiraitampo, sns, eny amin’Ny Andrin’ny Soa Andombotany Anka­dikely Ilafy. Raha ny fanazavan’ny solontenan’ ny tarika, amin’io fotoana io no hamerenan-dry zareo ireo hira rehetra nahafantarana ity tarika manana ny maha izy azy ity.

Taorian’ny fanafananana ny Kianjan’ny fanatanjahantena Elizabeth, tao Paris, ny alahady lasa teo, nandritra ny lalao Olympika. Ny 2 aogositra 2024 no hiaka-tsehatra ny Bloco Malagasy, ao
amin’ny Parc départemantal Georges Valbon any Courneuve. Vonona izy ireo hanome seho miavaka mandritra izany.

Ao anatin’izao fotoam-pialantsasatra izao, ny Compagnie Miangaly Théâtre dia mikarakara atrikasa mahakasika ny teatra sy mozika ary dihy mala­gasy. Ho an’ny ankizy 7 hatramin’ny 12 taona ity
atrikasa ity. Ho hita ao anatin’izany avokoa ireo fototra ahafahana mivelatra sy mitrandraka ny talenta sy fahaiza-manao amin’ireo zavakanto ireo.

Partager sur: