Toamasina : hitokona ny mpiasan’ ny seranan-tsambo

Mandrahona hampiato ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo mpiasa avy ao amin’ny orinasa tsy miankina manao izany. Nilaza izy ireo fa misy halatra sy fitaka ny fandraisan-karama. Maherin’ny 50 000Ar ny vola alana amin’ny karaman’ireto mpiasa, nanomboka ny volana avrily, saingy tsy voaresaka tao anatin’ny fifanarahana arakasa izany. Ankoatra izay, mitaky hampiakarana ny karama ihany koa ireo mpiasa. Takiany ny hampidirana solona saran-dalana anatin’ny karama noho izy ireo mipetraka ivelan’i Toamasina avokoa.
Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana ny fanitarana 25ha amin’ireo 70 ha ny seranan-tsambo ao an-toerana. Mahatratra hatrany amin’ny 639 tapitrisa Ar ny tetibola hanatanterahina izany ankehitriny, vita avokoa ny 60% ny asa rehetra. Marihina fa hampitombo ny fivezivezen’ny fitateran-tsambo ao an-toerana ny fotodrafitrasa atao.

Sajo

Partager sur: