VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka ny tetikasa fananganana tohodrano mamokatra herinaratra any Volobe (CGHV) Toamasina. Eo am-pananganana ny biraon’ny orinasa CGHV hanao ny tetikasa ny any an-toerana, hiandraiketan’ny orinasa EGC mazava. Nanomboka ny 18 jolay teo ny asa, ary haharitra 105 andro, ho vita amin’ny 30 oktobra 2024.

Nandray anjara tamin’ny fivoriana faha-46 nataon’ny Vaomiera momba ny vakoka iraisam-pirenena CPM, tany New Dehli India, i Madagasikara. Mpikambana ao anatin’ny CPM isika nanomboka ny taona 1983, ka manana vakoka ara-kolontsaina iray sy vakoka voajanahary roa, ka anisan’izany ny ala Atsinanana ahitana valan-javaboahary enina tandindomin-doza.

Notoloran’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana kojakojam-pamokarana ny mpamboly any amin’ny kaominina Vohimasy, distrika Farafangana. Nomena bisikileta koa ny mpiasan’ny mpanentana ara-pambolena APPSA. Tanjona ny hampiakarana ny taham-pamokarana any an-toerana, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Natao tany Kingston Jamaika, ny fivoriana fanomanana ny fivoriamben’ny Isa, rafitry ny Firenena mikambana miandraikitra ny fari-dranomasina ivelan’ny faritra ZEE (Fari-dranomasina ara-toekarena manokana). Voakasik’izany fitrandrahana harena metaly sarobidy ao ambanin’ny ranomasimbe Pasifika sy Indiana, ka ao anatiny i Madagasikara.

Partager sur: