“1st Mobil Rally of Boeny” : mirefy 131, 400 km ny dingana manokana

Hotanterahina any Boeny, ny 15 hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao, ny “1st Mobil Rally of Boeny”. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Namba­ran’ny Team Gojanga, mpikarakara tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety natao omaly, teny Ankoron­drano, fa miisa 14 ny dingana manokana “ES” amin’ity izay mirefy 131, 400 km. Hampi­avaka azy ity ny fisian’ny “ES” hatao amin’ny andro alina, izay hisantatra ny fifaninanana ny 15 aogositra. Ambony ny lanjan’isa amin’ity izay 1,5. Mirefy 5, 9 km ny “ES” fohy indrindra raha 15, 400 km ny lava.
Notsiahivin-dRabesaotra Mickael, filohan’ny Gojanga fa fiverenana masiaka ity satria tsy nisy tamin’ny taon-dasa. Araka izany, natao miavaka sy misongadina ny fifaninanana noho izy mifanindry amin’ny fotoam-pialantsasatra. Mitovy ny “ES” 4 amin’ireo handehanan’ny mpifaninana.
Heverina hihoatra ny 30 ny isan’ny mpifaninana amin’ity ka hanana mpanamory 6 eo ny mpikarakara. Manohana ny fifaninanana ny menaka Mobil sy ny XXL. Mandritra ny hazakazaka, hisy ny fanentanana ho an’ireo mpijery amin’ny fitandroana ny fijerena rally ka nomena ny anarana hoe: Lahy tokana ny aina.
Hifarana ny zoma 9 aogositra ny fisoratana anarana. Hizara roa miavaka tsara ny fizahan-dalana (reconnaissance) ka misafidy ireo mpanamory na ny 11 sy 12 na 13 sy 14 aogositra.

Torcelin

Partager sur: