Bakalorea – Sokajy rehetra : “Maivana ny laza adina fizika simia”, hoy ny mpampianatra

“Mitohy ny fitsarana ny taratasim-panadinana amin’ny bakalorea ho an’ny eto Antananarivo ary tombanana hifarana rahampitso”, hoy ireo mpitsara. Tsy nisy nanaiky nanao sonia ny taratasy fanekena naroson’ny mpiandraikitry ny bakalorea ireo mpitsara momba ny faneken’ny mpitsara ny fanapahan-kevitry ny tomponandraikitra sy ny fandaminana mifanaraka amin’ izay. Manahy ny fisian’ny ambadika amin’ny fanefana ny karama aorian’ny asa izy ireo ka nanda hatramin’ny farany. Ho an’ny taranja fizika simia, ho an’ny sokajy rehetra amin’ ny fampianarana ankapobeny, nahatsapa ireo mpampianatra ity taranja ity fa mora loatra ary tsy sahaza ny fari-pahaizan’ny mpianatra ,indrindra ho an’ny taranja siantifika S, ny laza adina. Maivana ny laza adina ho an’ny sokajy rehetra ary samy nahatsapa izany ny mpampianatra rehefa namaky ny vontoatiny. Nanamarina izany ny naoty azon’ny mpiadina satria tsara avokoa raha ny taratasim-panadinana voatsara hatreto no jerena, hoy ny mpitsara ny taranja fizika simia iray nanontaniana. Tsy ahitana taratra ny tena fifehezan’ilay mpiadina ny taranja ary tsy azo andrefesana ny fari-pahaizany ny zava-misy.
Namaly ny antso avokoa ny mpitsara ho an’ny taranja fizika simia tamin’ity fotoam-panadinana ity ary nizotra tao anatin’ny filaminana ny asa rehetra.

Ho an’ny taranja Science économique et sociale (SES) kosa, antonony ny naoty azon’ny mpiadina ho an’ny sokajy L sy S ary OSE manao ity taranja ity. Mandeha tsara ny asa taorian’ny fandavan’ny mpitsara ny hanao sonia ilay taratasy fanekena.

Vonjy

Partager sur: