Ao anatin’ny fanatsarana sy fampivelarana ny fifandraisana amin’ny firenena afrikanina ny fitondram-panjakana malagasy. Mifanindry an-dalana amin’izany ny vina sy fanambin’ny firenena afrikanina amin’ny fampanjakana ny “Panafricanisme”.
Manatanteraka fivahinianana ara-panjakana any Angola, nanomboka omaly hatramin’ny anio, ny delegasiona malagasy, tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Famaliana ny fanasan’ny filohan’ny Repoblikan’i Angola, João Manuel Gonçalves Lourenço, no anton’izao fitsidihana izao. Sahala amin’ny tao Guinée-Bissau, fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena afrikanina no tanjon’izao fivahinianana ara-panjakana izao.
Mitohy hatrany ny fitsidihana ara-panjakana ataon’ny filoham-pirenena malagasy. Mifantoka amin’ny fampanjakana ny kolontsaina “Panafricanisme” sy ny fifandraisana amin’ny samy firenena tatsimo ny votoatin’ny fitsidihana. Amin’ity anio ity no tena ivon’ny fivahinianana. Fitsidihana ny fasan’i António Augustinho Neto, filoha angolais voalohany no hanombohan’ny delegasiona malagasy ny fitsidihana, anio. Hitohy amin’ny fifampiresahana manokana eo amin’ny filoha roa tonta sy ny fihaonan’ny delagasion’ny firenena roa tonta, ao amin’ny lapam-panjakana. Hisy ny fitsidihana sy fandraisam-pitenenan’ny filoha malagasy manoloana ny parlemantera angolais, ao amin’ny Antenimierampirenena ao Angola.
Niaiky ny haitariky ny filoha Rajoelina Andry sy ny fitandroany ary ny fiarovany ny kolontsaina “Panafricanisme” ireo mpitondra fanjakana namany eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Hita taratra amin’izao fitsidihana misesy izao ihany koa fa manomboka maka sy mametraka ny toerana maha firenena lehibe azy eto Afrika i Madagasikara amin’ny sehatry ny diplaomasia.
Lin