Fifanakalozana ara-barotra: havaozina alohan’ny taona 2025 ny Agoa

Tapaka fa havaozina mialoha ny taona 2025 ny fifanarahana ara-barotra eo amin’i Etazonia sy ny firenena afrikanina taorian’ny fivoriambe faha-21 natao tany Washing­ton ny 24 hatramin’ny 26 jolay. Vato fehizoron’ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta ny Agoa sady miantoka ny fampiroboroboana ny toekarena aty amin’ny firenena mpisitraka izany. Tao anatin’ny 20 taona, nahafahana namorona asa maro taty Afrika izy no nampiroborobo ny fifaninana ara-barotra amin’ireo mpikambana. Mame­lona ankohonana eo amin’ny 100 000 eto Mada­gasikara ny sehatry ny lamba iarahantsika miasa amin’ny firenena amerikanina.
Toekarena
Nanao tatitra momba ny fivoriambe tamin’ireo mpanao gazety i Constance Hamilton, solontenan’ny tomponandraikitry ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Etazonia sy Afrika sy ny Sekreteram-panjakana lefitry ny raharaha afrikanina, Joy Basu, ny alatsinainy teo. Vonona hanohy ny fifanarahana Agoa i Etazonia rehefa nijery ny olana iainan’ ny vehivavy sy ny tanora, ireo tombontsoa azo avy amin’ny fifanakalozana ara-barotra ary ny fampiasam-bola, hoy ny tomponandraikitra.

Nilaza i Joy Basu fa fitaovana hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’i Etazonia sy Afrika ny Agoa sady hampiroboroboana ny toekarena amin’izao taon-jato faha-21 izao, hoy hatrany ny fanazavany.

Henintsoa Hani

Partager sur: