Hetsika fanao isan-taona. Ny Faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo no handray ny « Herinandron’ny kabary » amin’ity taona 2024 ity. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana.
Anisan’ireo hetsika lehibe karakarain’ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany) ny «Herinandron’ny kabary». Ho an’ity taona 2024 ity, ny Faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo no handray izany. Hanomboka ny 10 aogositra izao, tsy hifarana raha tsy ny 17 aogositra. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana.
Sabotsy 10 aogositra, amin’ ny 8 ora maraina, fotoam-panokafana sy famoahana ireo mpiofana andia «Rofia», hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina. Mbola ao amin’io toerana io ihany ny alahady 11 aogositra. Fivorian’ny antenimiera foibe ahitana ny filoha sy ny lohalontany ary ny birao foibe Fi.Mpi.Ma. Ny 12 aogositra, hazakazaky ny fandriampahalemana iarahana amin’ny minisiteran’ny Tanora. Hanomboka amin’ny 10 ora kosa ny atrikasan’ny fampianarana hotanterahin’ny tomponandraikitry ny Fi.Mpi.Ma. Hotohizana ny 13 aogositra izany ka fiofanana sy fanatevenam-pahalalana samihafa no omena azy ireo.
Hivoaka ny Renivohitra
Alarobia 14 aogositra, hanomboka amin’ny 9 ora sy sasany, hotanterahina eny amin’ny Espace Imaho Avaradrano ny alavoly sy fanatanjahantena ary ny takarivam-pirahalahiana. Hetsika natao ho an’ny rehetra. Ny alakamisy 15 aogositra, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany, tsidi-bohitra ho an’ny rehetra hotanterahina eny Ambohimanga. Hitodi-doha ho any Soavinandriana Itasy ny rehetra, ny zoma 16 aogositra (famoahana mpianatra, zara kolontsainan’Itasy arahina alim-pikoranana), ao amin’ny sekoly Jean Paul II Antsaha Faliarivo. 17 aogositra, amin’ny 8 ora maraina, fitsidihana ny «Ilôt de la vierge», «Chute de la Lilly» ary «Geyser» Analavory.
HaRy Razafindrakoto