Filankevi-panjakana : raikitra amin’ny 11 desambra ny fifidianana

“Naharay didim-panjakana avy amin’ny Filankevi-panjakana tokoa izahay eto amin’ny Ceni ny amin’ny 11 desambra no hanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly izay nahazo ny fanka­toavan’ny Filankevi-panjakana fa amin’ny 11 desambra. Ao anatin’ny tranga na antony ny tsy azo anoharana koa izay fanatanterahana ny fifidianana izay. Teo ny fametrahana ny Antenimierampirenena, indrindra ny mbola tsy fijoroan’ny governemanta hamoaka ny didim-panjakana fanaikana mpifidy. Tsy azo ihovidirana ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny 11 desambra io. Satria tsy maintsy vitaina amin’ity taona 2024 ity ny fifidianana. Manoloana izany, tsy mieritreritra hanemotra intsony izay fifidianana kaominaly izay ny eo anivon’ny Ceni, rehefa nankatoavin’ny Filankevi-panjakana ny tolo-kevitra narosony na ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana aza.

R. Nd.

Partager sur: