Fivilian-dalana Mahavavy: misokatra ho an’ny fiara rehetra ny RN6 sy RN 5A

Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN 6 sy RN 5A. Fotoana tena ilain’ny mpampiasa lalana izany, indrindra amin’izao fialantsasatra lehibe izao.

Vita tanteraka ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezana Mahavavy, PK 568, amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN 6). Misokatra ho an’ny fiara rehetra, nanomboka ny sabotsy 27 jolay teo. Voarakotra godirao avokoa eo amin’ny fidirana rehetra. Toraka izany koa ny fivilian-dalana eny amin’ny tetezan’ Ifasy, PK 537+327 amin’ny
RN 6.

Vita ihany koa ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezan’i Manambery, PK 173, amin’ny lalam-pirenena RN 5A, mampitohy an’Ambilobe sy Vohe­mar. Nisokatra ho an’ny fiara rehetra, nanomboka ny talata 30 jolay teo. Nijery ifotony tany an-toerana ny ekipan’ny Fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Sava, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny faritra sy ny distrika. Noraisina ny fanapahan-kevitra fa hakatona ny fifamoivoizana eo ambon’ny tetezan’i Manam­bery, hisorohana ny fiitaran’ny fahasimbany.
Tsiahivina fa simban’ny rivodoza Gamane tamin’ity taona 2024 ity ireo tetezana telo ireo ka voatery nananganana fivilian-dalana avy, ha­namorana ny fifamoivoizana amin’izao fotoan’ny fialantsasatra lehibe izao.

Fanarenana ny eto an-dRenivohitra
Ho an’ny eto an-dRenivo­hitra, mitohy ny fanarenana ny ampahan-dalana maromaro, tanterahin’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Anisan’izany ny lalana Vatobe 67 ha hatreny Andohatape­naka, mirefy 500 metatra. Hamboarina ny lakandrano miampy ny fandrakofana godirao. Harenina koa ny lalana Batpro Soanierana hatreny amin’ny fivilian-dalana Capsat sy Ankadilalana, ny Ankadi­lalana-Galana Tsimbazaza.
Eo koa eo amin’ny Villa Berlin Ambatoroka hatrany amin’ny Shell Ambanidia, ny fihodinana Ambanidia-Man­dro­seza-fihodinana Alasora, ny tetezana Iavoloha, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: