Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ny lehilahy iray nitondra moto niaraka tamin’ny ramatoa vadiny teny amin’ny lalam-pirenena faha-12, teo amin’ny PK 84, toerana antsoina hoe Ankarampotsy, fokontany Bac Namorona, kaominina ambanivohitra Anosimparihy, ditrikan’i Mananjary, afakomaly maraina. Nampandre ny zandarimaria ny mpamily taksibrosy iray amin’io lalam-pirenena io fa nitrangana lozam-pifamoivoizana teo amin’io PK 84 io. Nanamarina ny zava-nisy, tafavoaka ivelan’ ny arabe ny moto 4T iray. “Nandeha mafy io moto io satria 4éme ny vitesse mbola tavela teo amin’ny fafana”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria. Nipitika teo amboniny ny lehilahy iray sy ny ramatoa vadiny. Tsy nahatsiaro tena avy hatrany io raim-pianakaviana io. Nentina notsaboina eny anivon’ny toeram-pitsaboana ao Manakara. Tsy nahina kosa ny fahasalamam-badiny. Tsy nahafehy tampoka ny familiana nandritra ny fidirana tamin’ny fiolanana ny mpamily ilay moto ka antony nitarika ny loza. Nikasa hihazo an’Ihosy hamonjy zaikabem-piangonana izy mivady.
Tsiferana R.