“Anisan’ny kaominina azo lazaina tsy dia mandroso loatra ny kaominina Ambato raha oharina amin’ny kaominina manodidina ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo”, hoy ny filohan’ny fikambanana Hasin’ny zaza manga, Rakotondravao Sarobidy. Anisan’ny manao asa sosialy any an-toerana, hampandrosoana io kaominina io, ny fikambanana izay tarihiny hatramin’izay. Toy ny fanaovana didim-poitra faobe sy ny fanampiana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana. Ankehitriny, hiompana tanteraka amin’ny fandriampahalemana sy ny fahasalamana ary ny fanabeazana izy ireo. “Betsaka ny ankizy mbola tsy miditra an-tsekoly, ary hojerena manokana ireo ray aman-dreny tsy manana fahafahana hampiditra an-janany any am-pianarana”, hoy hatrany izy. Efa eo am-panomanana ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy madinika izy amin’ity fidiran’ny mpianatra ho avy ity. Ankoatra izay, anisan’ny vonona hirotsa-kofidina ben’ny Tanàna ao
amin’io kaominina io ny tenany. Tanjony ny handray andraikitra sy hitondra fampandrosoana any an-toerana. Nambarany fa ankinina eo am-pelantanan’ny vahoaka rehetra ny fisafidianana izay tian’izy ireo ho lasa ben’ny Tanàna. Mba hitondra fampandrosoana maharitra ho an’ny mponina.
Mino